MORCEAUX D’HISTOIRE & GENEALOGIE
« …Ny ranomasina no vala-parihiko! »
Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa
BABA RAJAOFERA
VATOTSARA – ANTSIRABE
Fifohazana fahatelo nitranga teto Madagasikara (1927 – 1936) tao Vatotsara Antsirabe Antananarivo izay notarihin’i Baba Rajaofera…. Zavatra roa lehibe no hojerena amin’izany
I. NY FIAINANY
Niavaka tanteraka tamin’ny tantaran’Ingahy Rainisoalambo sy Ineny Ravelonjanahary i Baba Rajaofera.
A. NY FAHAZAZANY SY FAHATANORANY
Zanaka « Pasteur » sady manan-drahalahy Pastora. Voataiza tamin’ny Filazantsara sy nilomano tao anaty fiainana kristianina. Mahafantatra tsara ny Soratra Masina ary mandray andraikitra feno teo amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana. Ireto avy ny andraikitra notanany tao amin’ny Fiangonana.
– Mpampianatra sekoly Alahady
– Mpampianatra Hira (Choral)
– Mpitendry zava-maneno
Tamin’ny hafanam-po no nanaovany izany andraikitra izany. Kristiana teo anatrehan’Andriamanitra izy sady nitondra tena tsy manan-tsiny araka ny didy sy fitsipika rehetra nomen’ny Tompo…Kristiana Mpandray Fanasan’ny Tompo, nitandrina ny didin’Andriamanitra hatramin’ny fahazazany….
Nanao izay azony natao tokoa ireo Raiamandreny nitaiza sy nampianatra an’i Rajaofera ny finoana an’i Kristy. Afa-po ireo Raiamandreny satria tanterany ny fanekena nataony teo amin’ny Alitara Masina. Faly sy ravo mahita ny naloaky ny kibony mandany ny androny amin’ny fanompoana ny Fiangonana. Nidera sy nanakalaza an’Andriamanitra noho izao fahasoavana lehibe izao satria tsy nivaona tamin’izay nitaizana azy ny ankizy… Tsy dia izany loatra anefa ny zavatra tsapan’i Baba Rajaofera…Misy zavatra tsaroany fa banga ao anatiny…..Misy hetaheta tsy hay lazaina nampahory ny fanahiny. Toa tsy tena azony antoka ny fananany ny fiainana mandrakizay. Ny famonjena dia vitan’i Jesoa Kristy kanefa toa tsy tsaroany misy fiatraikany amin’ny fiainany izany.
Raha teo amin’ny ara-nofo tsy dia nisy zavatra nampahory azy loatra satria tsy mba sahirana tamin’ny asam-pivelomana izy…..Manana talenta tamin’ny fakan-tsary, nanao ny asan’ny Polisy, niasa tamin’ny hopitaly (infirmier…) nanangona hajia…
Taty aoriana dia nivaona tanteraka ny fiainany, satria nangetaheta te-hanakarena izy ka lasa nitady làlana hahazoam-bola. Nifototra tamin’ny fambolena indray izy. Tsy afa-po tamin’izany anefa izy ka lasa mpamboatra toaka gasy (18). Niha-nitombo ny hantsana nampisaraka azy tamin’ny Tompo. Nanana aretina nitaiza azy tao amin’ny kibony izy ka matetika nahavery hevitra azy izany. Voan’ny aretina atao hoe: rongatra koa izy ka tena nijaly fatratra ery.
Nivavaka mafy ho azy ihany ny Raiamandreny sady nandatsa-dranomaso be. Ny zana-dranomaso toy izany dia tsy mba ho very mihitsy fa ny zavatra rehetra dia samy manana ny fotoanany avy.
B. NY FIOVAM-PONY
Tamin’ny taona 1927 dia efa nielim-patrana hatrany Antsirabe ny asa mahagaga nampanaovin’ny Tompo an’i Neny Ravelonjanahary. Hoy ny fitantarana tamin’izany: « any Atsimotsimo any, misy vehivavy anankiray mahasitrana ny aretina rehetra amin’ny alàlan’ny vavaka sy fametrahan-tanana ». «Nirohotra nankany Ambalavao ny olona. Feno mandrakariva ny taxi-brousse» avy any Antananarivo nitondra olona hanao fivahiniana masina any Manolotrony. Ny fitantarana dia niteraka fahalinana te-hahita tamin’izay rehetra nandre.
Ny hafanam-po sy ny toetra zatra mihetsiketsika, ary ny saina tia karokaroka tao aminy no nahatonga azy hanapa-kevitra mba handeha hizaha izany zava-mahagaga tsy afaka ao am-bavan’ny maro izany. Nanantena koa izy fa hahazo fanasitranana amin’ny aretin-kibo nampahory azy sy ny nofy mampandehandeha azy amin’ny alina « somnambule ».
Rehefa tonga tany Manolotrony i Rajaofera dia talanjona nahita ireo olona marobe milahatra miandry ny anjarany ahazoany miditra ao amin’i Neny Ravelonjanahary. Koa satria maro ny olona mangetaheta mila dinidinika sy mitady fanasitranana ary hihaona manokana amin’i Neny, dia voatery nilahatra koa izy niandry ny anjarany. Nandritra ny fotoana lava no niandrasany tao ivelany fa tsy mety nahazo an’ i Neny noho ny habetsahan’ny olona eo alohany…. Tsy tampotampok’izay dia rafitra nihira samirery izy, hira somary malefadefaka aloha vao nitombo nihamafy hatrany. Variana nijery azy ny olona rehetra teo noho ny feony kanto dia kanto.
—>(… Tohiny) – Tsindrio ETO mba ahazoanao « mot de passe »
Copyright © 2016, S.P.L.T. All rights reserved