MORCEAUX D’HISTOIRE & GENEALOGIE
« …Ny ranomasina no valam-pariako! »
Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa
NY FIFOHAZANA ANKARAMALAZA
(NENILAVA: Volahavana Germaine)
TOKO I: ANKARAMALAZA
4.1.NY TOERANA
Ankaramalaza dia ao anaty Firaisana Lokomby sy ny Fivondronana Manakara ary Faritany Fianarantsoa. Toerana an-tampokavoana sady saro-dalana araka ny anarany : Ankaramalaza : HARANA «Colline» malaza: «réputée». Ny lalana Manakara-Vohipeno-Ankaramalaza dia 63 kilometatra. Ny làlana Manakara Lokomby-Ankaramalaza dia 40 kilometatra.
[youtube https://www.youtube.com/watch?v=9jaW2HY0SoQ]
4.1.1. NY MPONINA
Miisa 100 tafo ny trano ao Ankaramalaza. Hita ao avokoa ny foko rehetra manerana ny Nosy. Ny maro an’isa amin’ny mponina ao dia ny Antambahoaka sy Antaimoro.
4.1.2. NY TOETR’ANDRO
Tao anatin’ny ady lehibe faharoa ny nipoiran’ny Fifohazana Ankaramalaza. Nijaly fadiranovana ny mponina tamin’izany fotoana izany vokatry ny «crise mondiale». Natsangan’ny fanjakana ny antsoina hoe : «office de riz» izay nanangonana ny vary rehetra. Nanjaka ny varo-maizina isan-karazany izay nomena anarana hoe : «sikisiky»…Voaloto tanteraka ny ranomasina. Maro ny olona voan’ny ferifery hoe: «lagaly». Nitombo ny fifankahalàna teo amin’ny vahoaka noho ny fihetsiketsehana ho amin’ny fitadiavam-pahaleovan-tena. Ny nahazo tombontsoa tamin’ny mpanjanatany dia nanararaotra. Ny te-hikatsaka ny fahaleovantena dia nitondra faisana tokoa noho ny nataon’’reto voalohany. Nisy tsy fifankazahoana teo amin’ny Fifohazana Soatanana sy Manolotrony noho ny tsy fitovizan’ny fomba fiasa. Tsy mbola Sitrana ny hantsana mampisaraka ny Katolika sy ny Protestanta. Tao anatin’izany rehetra izany no niantsoana an’i Volahavana Germaine (Nenilava) mba hitondra ny hafatry ny Tompo hoe : «MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA» (Jaona 17/21).
TOKO II: NENILAVA (Rtoa VOLAHAVANA Germaine)
Ramatoa Volahavana Germaine na Nenilava no angady nananana sy vy nahitana ny Toby Ankaramalaza vokatry ny fiantsoan’ny Tompo azy.
4.2. NY FIAINANY TALOHAN’NY FIANTSOANA AZY.
Volahavana Germaine (Nenilava) dia Antaimoro taranaka mpanjaka tao amin’ny faritany nisy azy. Ny rainy dia ombiasa malaza tamin’ny faritra Manakara. Noho ny ody nananany dia hainy avokoa ny mampanankarena ; ny mahatonga ny olona ho vanona anaka. Mahalala ny zava-miafina rehetra ao am-pon’ny olona izy. Vavolombelon’izany rehetra izany i Nenilava sady voataiza tao anatin’izany rahateo. Misy fotoana anefa nanoherany an-drainy, noho ny zavatra notenenin’ny sikidy nataony.
Tamin’ny faha 15 taonany dia nisy nangataka azy ho vady nefa nolaviny izay rehetra nandom-baravarana…Nihevitra ny rainy fa misy « fanahy » izay manambady azy no misakana azy tsy hanaiky ny fangatahan’ny olona rehetra izay tonga tao aminy. Nojeren’ny Rainy tamin’ny alalan’ny sikidy izao teo-javatra hafahafa izao. Taitra sy hatsatra ny rainy nahita fa misy FANAHY AMBONY noho ny fanahy rehetra nipetraka ao amin’i Volahavana Germaine. Nambaran’ny sikidy koa fa andevo izy rainy fa i Volahavana kosa no mpanjaka noho ny Fanahy ao aminy, koa rehefa manjaka roa taona i Volahavana Germaine dia ho faty izy (rainy). Tanteraka tokoa izany rehefa niasa roa taona i Volahavana Germaine.
4.2.1 NY FIANTSOANA AZY
Vao folo taona monja izy dia efa nandre ny antson’ny Tompo. Tamin’ny alalan’ny nofy no nahitany zava-mahagaga mandrapahatongan’ny faha 12 taonany. Taorian’izay dia ny feon’ny Tompo no reny mivantana, fa ny tenany kosa mbola tsy hitany. Mandre izany feo izany izy isaky ny amin’ny 12 ora atoandro. Niovaova anefa izany fomba fiantsoana azy izany arakaraky ny fandrosoan’ny taonany.
Toy izao ny sasany tamin’ireo nofiny:
Nanonofy nobatain’ny Tompo sy nosasany tongotra… Nanonofy nalaina tamin’ny harato lehibe ka nentiny niakatra tany an-danitra…
– Tamin’ny faha-13 ny taonany dia mandre feo miantso azy mivantana izy. Noheveriny fa ny rainy no niantso azy ka matetika izy no mihazakazaka manontany an-drainy.
– Tamin’ny faha-14 ny taonany dia niverina indray ny nofy : Nentiny teo amin’ny Fiangonana lehibe anankiray feno mpiangona izy. Teo ambony polipotra izy sy ny Tompo no nijoro. Ary ny Tompo no nitoriteny… Betsaka ny zava-mahagaga nofisiny toy izany mandritra ny herintaona. – Tamin’ny faha-15 ny taonany dia nisy fahanginana tanteraka sady tsy nisy feo no tsy nanonofy ihany koa.
Rehefa feno 16 taona izy dia niverina indray ny feo niantso azy teo aloha.
Vao tovovavy 17 izy dia voatery nanambady noho ny fankatoavan’ny tenin-dRay aman-dreniny. Nampianarina foto-pinoan’ny Fiangonana izy ka natao batisa vao notanterahina ny fanambadiany.
Tamin’ny faha-18 ny taonany dia nitohy indray ilay feo niantso azy tamin’ny 12 ora atoandro.
—>(… Tohiny) – Tsindrio ETO mba ahazoanao « mot de passe »
Copyright © 2016, S.P.L.T. All rights reserved