Blog Taniko Madagascar

Andriana

MORCEAUX D’HISTOIRE & GENEALOGIE

« …Ny ranomasina no valam-pariako! »
                            Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa

Ny Maha Andriana

Tsy azontsika hodian-tsy hita ny hevitr’ireo olona manamarina ny heviny momba ny fisian’ny andevo sy ny hova ary ny andriana amin’ny tantaran’i Abrahama sy Hagara andevovavin’i Saraha vadiny. Nitrehatreha, niaingainga, nizahoizaho ary nihomehy an’i Saraha i Hagara satria nahazo zanaka tamin’i Abrahama izy, fa i Saraha kosa dia momba (Genesisy 16, 17, 21 [10-12]). Hany ka tamin’ny farany dia neken’Andriamanitra sy Abrahama ny androahana an’i Hagara tsy hiray lova amin’Isaka zanak’i Abrahama sy Saraha. Avy amin’ny taranak’Isaka no hanorenan’Andriamanitra ny fanekeny amin’i Abrahama ka hivoahan’ny Mpanjaka lehibe hatramin’ny Mesia. Nefa na izany aza dia nataony firenena lehibe ihany koa ny taranaka midina avy amin’Ismaela zanak’i Hagara andevovavy. Marihantsika aloha fa tsy voalaza hoe olo-mainty i Hagara, raha tsy izany  dia ho olo-mainty avokoa ny taranaka midina avy amin’ny Arabo naterak’Ismaela. Ny andevo dia olona babo, na mpiara-monina narian-jo ka « levona » ny maha-izy azy.

Andalan-teny anamarinan’ny mpamaky « ara-bakiteny » ny Baiboly koa  momba ny fisian’ny andevo sy ny hova ary ny andriana dia ny voalazan’ny Ohabolana 30, 21-23 manao hoe: « Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, eny zavatra efatra aza no tsy zakany:
(1) raha ny andevo no tonga mpanjaka,
(2) raha ny adala no voky hanina,
(3) raha vehivavy lany zara (ankahalaina) no ampakarina,
(4) ary raha ny andevovavy no mandimby (fandriana) ny tompony ». Ohatra i Hagara nandimby fandriana an’i Saraha.

Rahefa mitanisa ireny andalan-teny ao amin’ny Testamenta Taloha ireny ny olona manamarina ny heviny hoe eken’Andriamanitra ny rafi-piainana misy andevo sy tsy andevo ary olona iankinana (andriana) dia mipetraka amintsika ny fanontaniana hoe: atao ahoana no famaky ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao? Raisina ara-bakiteny ve ny voalaza rehetra ao amin’ny Testamenta Taloha, toy ny Didy Folo, dia hijanona ho Jiosy ny Kristiana ary marina tsy azo kianina ny sabatan’ny advantista sy ny « Jehovah »-n’ny Vavolombelon’i Jehovah ary ny tapatapa-teny anorenan’ny Sekta ny finoany? Inona no antony nandefasan’Andriamanitra an’i Jesoa ka nanorenany Fanekena Vaovao?

Azo « sakanana » amin’ny alalan’ny lalàm-panorenana ve ny fifanavakavahana ara-bolon-koditra sy firazanana, toy izay fahita ao amin’ny lalàm-panorenan’i Etazonia any Amerika? Sa fefy sy anaran-javatra fotsiny ireny rehetra ireny fa ny olom-belona dia mitangorona ho azy samy izy, na mifanavakavaka samy izy amin’izao?

Izay fisehon’ny tantara teto Madagasikara ihany no andeha ho raisintsika.

Herintaona tsy ampy kely (30 Septambra 1895-27 Septambra 1896), taorian’ny fahatongavan’ny Frantsay nampandohalika ny fanjakan-dRanavalona, dia nalefa ho olona afaka ny andevo rehetra, ary tsy notenenina teto amin’ny fitondrana an’i Madagasikara intsony izany atao hoe Andriana, Hova, Mainty, Andevo. Hova avokoa no niantsoana ny Merina izay mipetraka amin’ny afovoan-tany, faritany avo sy mierinerina, efa hatramin’ny fahagola, na teo am-bavan’ny mponina any anindran-tany izany na teo amin’ny firenena any andafin’ny ranomasina. Fa eo amin’ny mponin’Imerina efa teto nanohitra ny fiakaran’ny Frantsay dia izy ireo no mahalala ny lafin’olona nisy teo aminy, dia ny andriana, ny valalabemandry na olom-potsy « na inona na inona volon-kodiny », ary ny taranaky ny babo taloha ka nantsoina hoe « andevo ». Mba ho fanoherana mangina ny fanjanahan-tany dia nifaninànana ny nanisy Andria…, Randria… amin’ny anarana na teo amin’ny olona tsy andriana akory aza.

Ny famefena ny olona tsy handrorona na hiletsy laharam-pirazanana eo amin’ny fanambadiana dia Lalàm-pitondrana tamin’ny Tany Gasy, ka noraiketina an-tsoratra mihitsy tao amin’ny Lalàna Dimy Venty sy Telonjato (Code des 305 Articles), And. 59-63, rehefa avy navoaka an-kabary miezinezina tamin’ny 29 Marsa 1881. Raikitra ao amin’ny And. 39-49 ao anatin’izany Lalàna izany koa ny momba ny fitondrana ny Andevo sy ny fiahiana azy ireny.

Tsy teo amin’ny Merina ihany no nisy Andriana sy Olom-potsy ary Andevo fa ny foko matanjaka rehetra nanerana an’i Madagasikara dia saiky nanana sy nampiasa izany rafitra sy fombam-pitondrana izany. Teo amin’ny Betsileo dia lasa neken-dRadama I antsoina hoe andriana ny Merina nanjaka tamin’Isandra sy Lalangina (Lalangina afovoany sy avaratra, Mandranofotsy, Vohibato avaratra) ary Arindrano (Tsienimparihy, Vohibato atsimo, Homatrazo, Lalinindro, Manambolo). Ny Ampanjaka nanoa ny fanjakana afovoan-tany dia ny fiandrianan’izy irery tamin’ny seranana sy ny fahefan-dehibe ihany no nesorin-dRadama I taminy, mba hisakanany ny fanondranana andevo, fa ny elo menany tsy nalàna taminy.

Tsy teo amin’ny Malagasy ihany no nahitana izany rafi-pitondrana izany fa ny firenena rehetra teto ambonin’ny tany hatramin’ny fahagola dia nampiasa io fifanavakavahana io. Ao ny firenena sasany mbola mandala ny fisian’ny Andriamanjaka ka manome fahefana mivantana na tsy mivantana azy ireny. Ao ny sasany nanafoana ny fitondran’andriamanjaka nefa mbola velona any am-pon’ny rehetra ny fahatsiarovana ny maha-andriana (nanjaka) ny razany, ka ny fanjakam-poko indray no asolony azy. Atsy Afrika sy ny tany eo an-dalam-pandrosoana sasany dia mbola manjaka na ilofosana hampanjakaina io fomba io, na tsy dradraina avo aza. Ny Frantsay mpanjanatany dia nampiasa azy mba hanjakany ary mbola mifototra hamelona izany mandrak’izao amin’ny « quota ethnique », « cause côtière », sns, navelany tamin’ny P.A.D.E.S.M.
Izay nanan-kery manokana, na nanam-piniavana handrindra ny fiaraha-monina .ka nahazo na nomem-pahefana hanao izany satria nahavory fanjakana no nanjary niankinan’ny fiainan’ny betsaka, nitokisana ka nantsoina hoe ANDRIANA. Isan’izay niankinan-dRadama I tamin’ny famoriana an’i Madagasikara ny ombalahy be vozona nateraky ny karazam-poko rehetra teo amin’Imerina Enin-toko sy tany anindrana.

Rehareha niofo ho hetaheta mpamely ny olona nahazo fahefana ny fitadiavana hitana ny fahefana mandrakizay, izany no miteraka ny fokon’andriana. Izahay no nahavory ny tany sy ny fanjakana, izahay no nanao ny tantara… Dia tadiavina ny hodimbiasan’ny zanaka sy ny havana na ny sakaiza eo amin’ny fahefana. Koa na iza na iza manam-paniriana hitondra firenena, hitarika sy hitantana ary handrindra fiaraha-monin-dRaolombelona ao amin’ny karazam-pikambanana samihafa (asa, varotra, fanjakana,, fampianarana…) dia tokony hanana toetr’Andriana izy, taloha sy ankehitriny izany ary mandrakariva ho mandrakizay. « Tsy resaka rà fotsiny ny maha-andriana fa mitaky asa sy toetra ».

Rainilaiarivony raha nilaza ny tarana-dRainiharo sy ny Praiministra ho farafaran’ny Mpanjaka dia nanao ny tenany ho fandrian’ny mpanjaka, fianteherany, ka farany dia  izy no tena Andriana nahazo ny fahefana rehetra, na niseho ho niera foana tamin’ny Ranavalona sy nitanisa ny anarany aza izy teny imasom-bahoaka. Rainilaiarivony no nanao izay  hahalany an’ireo vehivavy tiany ho tonga Mpanjakavavy, isaky ny niamboho ny teo aloha ka nitadiavana mpisolo, mba hisakanana ny rà mandriaka hono, izay mpitranga taloha isaky ny nitsangana mba hitondra fanjakana ny mpandova fiandrianana.

Nony niakatra teo amin’ny fitondrana i Ranavalona I, dia nanomboka very ny fahefan’andriamanjaka sy ny andriana mitam-bodivona fa ny mpamikitra ny tombontsoa azony tamin’Andrianampoinimerina sy Radama I no nanararaotra ny finoanoam-poanan’ny vehivavy izay tsy afa-diana ara-nofo, fatra-pitana ny fomba-drazana fa natahotra ny hasin’ny razana handao azy raha manao zavatra tsy nataon-drazana izy. Ireny olona nampanjaka mpanjaka ireny no nanjary tena tompom-pahefana.

Amin’izao ankehitriny izao, izay rehetra manana toe-tsaim-panararaotana eo amin’ny raharaha fitondrana ny firenena sy ny sampan-draharaha  rehetra mifono endrika fiaraha-monina, dia tsy andriana na hova na mainty, na andevo no famaritana ny fiantsoana azy fa olon-doza mamorona firazanam-baovao, mpanararao-pahefana tsotra sy mpangoron-karena, tsy mikatsaka afa-tsy fahefana sy voninahitra ary harena mora azo: mpangalatra.

Famoaboasan’Atoa Lucien Em. Randrianarivelo


Copyright © 2016, S.P.L.T. All rights reserved