UN GRAND INTELLECTUEL ET EDUCATEUR HORS PAIR du XXe siècle
Régis RAJEMISA-RAOLISON ( 08 Mai 1913 – 19 Juin 1990)
Enseignant-Chercheur, Académicien, Ecrivain, Poète, Journaliste – Linguiste

Par sa formation intellectuelle et humaine – à l’instar de notre intelligentsia – au confluent des deux cultures, malgache et française. Né le 8 Mai 1913 à Antsiranana (ex-Diégo-Suarez), où son père était gouverneur sous l’administration coloniale, Régis RAJEMISA-RAOLISON fit ses études primaires au gré des affectations paternelles.
Sa vocation de poète a sans doute germé dans la contemplation des paysages tropicaux de la côte malgache et par le bercement des vagues marines enserrant notre île. C’est au petit Séminaire des Jésuites d’Ambohipo qu’il devait accomplir ses études secondaires et acquérir une solide éducation littéraire.
Il aurait voulu devenir prêtre comme son frère aîné Louis Rajemisa, mais son état de santé ne lui a pas permis de suivre cette voie.

Le jeune Régis RAJEMISA-RAOLISON écrit des poèmes dès l’âge de 15 ans. Par la suite, il déploya une grande activité littéraire, d’abord dans le milieu journalistique où, avec Jacques RABEMANANJARA, il s’attela à la rédaction de la « Revue des jeunes de Madagascar » (1935-1936). Au journal littéraire et politique « Anivon’ny riaka ». L’île australe » il eut comme collaborateur Elie CHARLES ABRAHAM. Dans le milieu littéraire proprement dit, il fonda en 1952 l’Union des Poètes et Ecrivains Malgaches, dont il est le Président depuis l’origine jusqu’à ce jour. Professeur de son métier, il a commencé à enseigner en 1932 -, il a entrepris des recherches qui font autorité sur la langue malgache et un grand nombre de manuels scolaires, grammaire et livre de texte pour presque toutes les classes lui sont dûs.
Extrait préface du Dr Césaire RABENORO
in Les Fleurs de l’Ile Rouge
Président de l’Académie
Malgache
* Boky natokana ho an’ny kilasy tsirairay
– Etsy babeko T2
– Talaky mandeha T3
– Isambilo T4
– Mazava atsinanana T5
– Gasikarako T6
– Gasikarako T7
* Boky fianarana literatiora sy famoaboasana
– Tononkalo sy lahatsoratra 6è
– Tononkalo sy lahatsoratra 5è
– Fiteny mamiko 4è
– Fiteny mamiko 3è
* Boky fianarana fitsipiky ny teny
– Fitsipi-pitenenana malagasy CE
– Fitsipi-pitenenana malagasy CM
– Fitsipi-panoratana malagasy
* Boky fianarana fomba amam-pahendrena
– Fomba amam-pahendrena malagasy 6è-5è
– Fomba amam-pahendrena malagasy 4è-3è
* Boky ahitana lahatsoratra famakafakana momba ny fitsipi-pitondran-tena sy ny toe-tsaina hoenti-miaina.
– Mbà olom-banona (1974)

Mpanoratra
Nanoratra tamin’ny teny malagasy sy teny frantsay izy
Asa sorany amin’ny teny malagasy
* Tantara foronina
– Kilalaon’afo (1948)
* Tantara filalao an-dampihazo
– Tsingerim-panina (1955)
– Ady anaty (1956)
– Rivo-doza (1957)
* Tantara indray miseho sy filalao amin’ny onjam-peo
– Ratolojanahary (1985)
– Misy ve ny anjara ? (1983)
– Mamy ve ny miaina ? (1984)
– Olo-meloka sa olo-masina ?
* Sombin-tantara maro
Miparitadritaka any anatin’ireo boky fianarana nosoratany, indrindra ny Gasikarako T6 sy ny Gasikarako T7 santionany tamin’ireny ireto:
– Tantaran’ilay voaloboka
– Ny anton’ny iasana
– Ny marina tsy mba maty
– Fanefana adidy …
Ny tara-kevitra novoiziny tao dia ny fahamarinana, toetra tsara hoenti-miaina, ny tontolo iainana, ny fitiavana eo amin’ny fianakaviana …
* Tononkalo maro
Navoakany tany amin’ny faran’ny boky Kilalaon’afo, sy tamin’ny gazety sy revio maro, dia ny gazety Takariva, Revue des jeunes, Anivon’ny riaka, Tatamo, Hehy …
Ohatra : Ny akany nahafoizana, ny fanantenana, ny akon’ny fahatsiarovana …
Ka nohirainy tamin’izany ny fahamboniana sy ny hakanton’ny tanindrazana, ny ambanivohitra, ny fahatsiarovana, ny zavaboahary …
Asa sorany amin’ny teny frantsay
Nanomboka nanoratra tononkalo tamin’ny teny frantsay raha vao 15 taona monja.
* Amboaran-tononkalo
– Les Fleurs de l’île Rouge (1948
* Tantara foronina
– L’Ecrin brisé (1978) nahazo ny Grand Prix de littérature hors concours nomen’ny Association des Ecrivains de Langue Française (ADELF) tamin’ny Mai 1985.
* Sombin-tantara
– Jusqu’au bout
* Amboarana tantara kely miendrika angano
– Recueil de fables
* Fanadihadiana momba ny teny, ny sivilizasiona, ny literatiora ary ireo mpanoratra malagasy nanoratra tamin’ny teny frantsay.
– La grammaire malgache (1958)
– Les poètes malgaches d’expression française (1984)
* Tao amin’ny bulletin de l’Académie Malgache
– La langue malgache au tournant de l’histoire du peuple qui la parle (1960)
– Le savoir-vivre en pays malgache (1965)
– La culture malgache (1972)
– Madagascar, la grande île, à l’ancre entre deux continents (1974)
Mpikaroka
Diksionera telo no nataony
– Vakoka : diksioneran’ny teny mitovy hevitra voadika amin’ny teny frantsay (efa natonta indimy)
– Dictionnaire historique et géographique de Madagascar (1966)
– Rakibolana Malagasy (1985) Niasany nandritra ny 15 taona, misy teny iditra 25 250 voarindra ao anaty 1064 pejy, Rakibolana malagasy voalohany voaravaka sary ka ny tompomarika tamin’izany dia i Mompera Nicolas GIAMBRONE.

Mpanao gazety
* Niara-nanoratra tamin’i Jacques RABEMANANJARA ny Revue des jeunes de Madagascar sady tonian’ny fanoratana tao (1935-1936)
* Niara-nanoratra tamin’i Elie Charles ABRAHAM ny Gazety literera voasoratra tamin’ny teny malagasy sy frantsay «L’île Australe» na Eto anivon’ny Riaka (1945-1948), sady tonian’ny fanoratana tao.
* Tonian’ny fanoratana ny gazety «La voix malgache», Ny feon’ny Malagasy sady lehiben’ny fanaparitahana azy.
* Niara-nanorina tamin’i Alexis BEZAKA sy RAKOTO RAOMANDAH ny gazety politika, sosialy sy literera : «L’action malgache», gazetin’ny antoko RNM : Rassemblement Nationaliste Malgache.
Olon’ny fiangonana
Naniry ho pretra izy tamin’ny voalohany nefa tsy tonga tamin’izany noho ny toe-pahasalamany ka niara-niasa tamin’ny fiangonana hatrany.
Taorian’ny Konsily Vatikana II dia tao amin’ny fiaraha-miasan’ny pretra sy lahika izy.
Nandrindra ny tantaram-piangonana tamin’ny fahazato taonan’ny Ekar Md Joseph Mahamasina.
Nandrindra ny tantaran’ny Frères des Ecoles Chrétiennes teto Madagasikara.
Niara-niasa hatrany izy sy ireo Maintimolalin’ny kolejy Masina Misely namany.
Filohan’ny komity diosezin’ny APEL Antananarivo. Nantsoina hanao famelabelaran-kevitra tamin’ny fivoriana natrehan’ny Relijiozy tamin’ny toerana maro.
Fikambanana nisy azy:
HAVATSA-UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches)
Fikambanan’ny poety sy mpanoratra Malagasy izay HAVATSA-UPEM amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo 15 lahy namorona ny fikambanana ny 6 septambra 1952.
Filohan’ny UPEM nanomboka ny taona niforonan’ny fikambanana ka mandra-pahafatiny ny 19 jona 1990.
Tamin’ny androny ny UPEM no nekena ho mpikambana ao amin’ny ASSOCIATION des ECRIVAINS PANAFRICAINS.
Sarin’ny mpikambana vitsivitsy tamin’izany.
APEL (Association des Parents d’ELèves)
Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatry ny sekoly katolika. Tao amin’ny Comité diocésain de l’APEL, filoha lefitra (1956-1960). Filohan’io Komity io taty aoriana.
Tany Fianarantsoa
Nanao famelabelarana tamin’ny fivorian’ny APPEL
natrehin’ireo relijiozy izy.
Comité de Défense et Illustration du Patrimoine Littéraire et Culture Malgache
Fikambanana namoaka am-boky ny asan’ny mpanoratra malagasy. Filohan’io Komity io izy.
SEROI (Société des Ecrivains de la Région de l’Océan Indien)
Anisan’ny mpamorona ny SEROI izy tamin’ny 9 martsa 1984 ary Filoham-boninahitra nanomboka tamin’ny 1984 ka hatramin’ny 1990.
AKADEMIA MALAGASY
– Membre Correspondant (1967)
– Membre associé (1960)
– Membre titulaire nanomboka tamin’ny 1962
– Filohan’ny sokajy voalohany : Sokajin’ny teny sy haisoratra ary hairaha malagasy. Ka noho izany dia Filoha lefitry ny akademiam-pirenena mandra-pahafatiny (1990)
Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fivorian’ny mpanoratra sy poety maneran-tany, fivoriana natao tamin’ny toerana maromaro: Belgique, URSS, La Réunion…
Mari-boninahitra sy mari-pankasitrahana nomena azy:
– Chevalier de l’Ordre de Mérite de Madagascar (1962)
– Chevalier de l’Ordre National Malgache (1964)
– Officier de l’Ordre National Malgache (1978)
– Officier de l’Ordre des Arts et des Lettres de la République Française (1981)
– Mari-pankasitrahana avy amin’ny Ministeran’ny Fanolokoloana ny Zava-kanto Revolisionera (1981)
– Commandeur de l’Ordre National Malgache (1983)
– Plûme d’or (1985)
– Grand Prix de Littérature, hors concours, avy amin’ny Association des Ecrivains de Langue Française (ADELF) (Mai 1985)
– Grand Officier de l’Ordre National Malgache (1985)
– Grand Croix de 2ème Classe de l’Ordre National Malgache (1989)
En résumé, l’on peut affirmer que ses oeuvres ont contribué à la formation intellectuelle de plusieurs générations de tous les niveaux académiques de notre pays, du siècle passé aussi bien que du présent, à l’instar d’un autre grand « homme d’Esprit », le