Blog Taniko Madagascar

Fanolorana

MORCEAUX D’HISTOIRE & GENEALOGIE

« … Nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana ! » (Mt 10, 8)

Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa

Teny Fanolorana

Fanaon’ny Firenena hendry amin’izao tontolo izao ny mikaroka sy manoratra ny tantaran-drazany, satria raha « zavatra tsy misy tantara dia heverina ho toy ny tsy misy« .

Ny tantaran’ny Fanjakana dia manamporofo fa ny Fahaleovantenan’ity Nosy ity dia tsy nomen’Andriamanitra ho adidin’ny Merina Ambaniandro samy irery, fa tsy maintsy iarahan’ny foko valo ambin’ny folo manao vao ho tanteraka. Ezaka mankadiry no efa vitan’ny Razantsika, nanorina ny firenena sy nampivoatra ny fanjakana malagasy tao anatin’ny taon-jato maro,  kanefa tamin’izany andro izany dia tsy ampy ny làlana, ny fahaiza-manoratra sy ny fitaovan-tserasera, … ary ny maro hafa koa! Fa ny fanontaniana mety manitikitika antsika, kanefa tsy ny kely indrindra, dia ity:
Fa mba inona tokoa ary moa no atao hoe « Firenena » sy ny atao hoe « Fanjakana »?

Ny valiny dia tsotra ihany, saingy tsy tadidin’ny maro matetika, ka tsara ampahatsiahivina:

– ny « Firenena » dia vahoaka manana teny iombonana sy fomba iraisana, ary miara monina amin’ny tany iray (« Nation » hoy ny teny frantsay);
– ny « Fanjakana » kosa dia manana endrika roa:

1°) dia rafitra sy fomba fitondrana, fandidiana sy fanapahana, mandamina ny tany sy ny vahoaka ary ny fahefana ao amin’ny firenena iray: ohatra, fahefana « mpanantanteraka », « mpanao lalàna », sy « mpitsara », (« Etat » hoy ny teny frantsay)

2°) dia teny manondro ny tany entina, na fehezin’ny mpitondra iray (ohatra: fanjakan’Itoera).

Ny taranaka tsy mahalala ny tantaran’ny Razany, na izay Vahoaka tsy mahafantatra ny tantaran’ny Fireneny dia sahala amin’ny olona manao an-jamba mandeha lavitra nefa tsy mitondra vatsy, na sahala amin’ny velona tsy manan-kambo eo amin’ny fiainany ka raha vao sedrain’ny olona hafa firenena na fiaviana dia miafiafy tsy mba manan-kambara.

HIFANDOVANA mantsy ny tantaram-pirenena sy ny an’ny Fianakaviana: haja iombonana, na henatra ifanakonana, koa dia tsara tahirizina sy aparitaka mba ho kolon-tsaina sy ho kolo sainan’ny taranaka mifandimby. Fa ny tantara no ahitana ny fivoaran’ny fanjakana, ny herim-panahin’ny firenena, ny tarigetram-piainan’ny Razana, ny finoany sy ny fahendreny, ny zo amam-boninahiny, ny lazany sy ny fahafoizan-tenany, ny fahoriany sy ny fitsapan-toetra niaretany, ny adim-piainana samihafa nanaovany ny ainy tsy ho zavatra teo amin’ny sehatry ny fianakaviana, ny tanindrazana sy ny fanjakana.

Ho fameloma-maso ny tenin-drazana, sy ho fanomezam-boninahitra ireo izay mandefa soratra na raki-tantara tiana aseho eto, dia samy ampiasaina eto amin’ity serasera ity na ny teny malagasy, na ny teny frantsay na ny anglisy. Maro tokoa mantsy amin’izao andron’ny fanatontoloana izao ireo havantsika efa manambady vahiny, ary ao ihany koa ireo vahiny liana te ahafantatra ny mikasika ny « taniko », …ny tanintsika. Aza misalasala àry mampahafantatra ireo havana aman-tsakaiza ny fisian’ity serasera ity.

Bibliographie: Santionam-boky nofintinina ato.

Raha toa ka tianao ny hahazo vaovao mivantana amin’izay miseho eto,  dia tsindrio ny bokotra « S’abonner au Blog » na « Suivre » ery amin’ny  « colonne » ankavanana ery. Raha te hampiditra lahatsoratra kosa ianao, na handray anjara amin’ity sehatra serasera « Carrefour de l’Océan Indien » ity, na ihany koa te hampiditra ny anaran’ny Fianakavianao ao amin’ny Tetiaran-dRazan’ny Taniko Geneanet, dia tsindrio ary alefaso eto ny momba anao.

—> Sommaire

[polldaddy poll=9037849]


Copyright © 2016, S.P.L.T. All rights reserved