MORCEAUX D’HISTOIRE & GENEALOGIE
« …Ny ranomasina no vala-parihiko! »
Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa
NY FIFOHAZANA FARIHIMENA:
RAKOTOZANDRY Daniel .
TOKO I: FARIHIMENA
5.1. NY TOERANA
Efatra amby roapolo kilometatra avy ao Betafo no misy azy. Avaratr’Antsirabe, faritany Antananarivo. Misy farihy hodidinin’ny harefo ao ambany andrefan’ny Fiangonana ankehitriny ka miteraka taratra mena ao amin’ny rano. Ny loko ananan’io farihy io no mahatonga ny anarany hoe: Farihimena. Toerana be hatsiaka noho izy tsy lavitra an’Ankaratra. Mamoro-potsy sy mandry ; tahaka ny fitaratra izy amin’ny ati-ririnina (May –Aogositra)
5.1.1. NY MPONINA
Antsoina hoe: Vakinakaratra ny mponina ao Farihimena izany hoe: Merina. Saika tantsaha avokoa ny mponina; mpamboly ovy izay foto-tsakafo any rahateo ary mpiompy koa. Ny mponina dia somary sahirana ihany noho ny toe-tany karankaina onenany.
5.1.2. NY TOETR’ANDRO
Hafahafa ihany ny toetr’andro tamin’ny fotoana nipoiran’ny Fifohazana Farihimena. Tamin’iny faritanin’Ankaratra iny dia nanjaka tao avokoa izay mety ho faharatsiana rehetra: halatra, vonoan’olona, fanaovana toaka gasy, fitiavan-tena, fitiavan-karena, fahalianam-boninahitra, fidorohana zava-mahadomelina, fanompoan-tsampy, fijangajangana, tokan-trano imaso, sns…. Niteraka fahavoazana eo amin’ny fiaraha-monina manontolo ny vokatr’izany fahalovana izany.
Niha-nitombo koa ny hetaheta te-hahazo fahaleovantena ka betsaka ny antoko Politika nipoitra tamin’izany fotoana izany. Nafana dia nafana tokoa ny resaka ny amin’ny fitiavan-tanindrazana. Lazaina tamin’izany fotoana izany fa MASINA NY RAZANA…MASINA NY TANINDRAZANA. Velona ny dina tamin’ny fitiavan-tanindrazana. Natao ny velirano isan-karazany ho amin’ny fiaraha-mitolona mba hahazoana ny fahaleovan-tena…Tamin’izay anefa dia nampiasaina ny Litorjy Kristiana sy ny fiantsoana razana. Toy izao ny fomba natao tamin’izany :
– Amin’ny anaran’Andrianampoinimerina…amin’ny anaran’Ilaidama…amin’ny anaran-dRainandriamampandry …amin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sns…
Teo amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia nafangaro poti-tany nalaina avy tamin’ny fasana ny Divaim-Pandraisana sns… Tena fifangaroharoan’ny Fivavahana Kristiana tamin’ny fanompoan-tsampy no nitranga tamin’izany. Noho ny asa maro izay notanterahin’ny fanjakana ka nampitondra fahoriana ny vahoaka dia loa-bolana ny maro nanao hoe : «Angamba tsy mahay teny gasy intsony izao Andriamanitra izao». Maty ny aim-panahy ka dia nalemy ny Fiangonana. Lasa atao diniky ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ao am-Piangonana ny raharaham-pamadihan-drazana. Ny fanaovam-bokatra ao am-piangonana dia arahin-tehaka ho an’ny olona izay manao betsaka… Izany aizina mameno ny faritra Ankaratra sy mandrakotra ny faritra maro manerana an’i Madagasikara izany no tian’Andriamanitra hampiposahana ny mazava ka namohazana an’i Dadatoa Rakotozandry Daniel mba hitondra hafatra HAMPIBEBAKA NY OLONA REHETRA…
—>(… Tohiny) – Tsindrio ETO mba ahazoanao « mot de passe »
Copyright © 2016, S.P.L.T. All rights reserved