Blog Taniko Madagascar

Soatanana

MORCEAUX D’HISTOIRE & GENEALOGIE

« …Ny ranomasina no vala-parihiko! »
                           Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa

 

NY TANTARAN’NY FIFOHAZANA SOATANANA

TOKO I: SOATANANA

1.1/ FAMARITANA ANKAPOBENY
Soatanàna no anaran’ny Foiben-toerana misy ny fifohazana. Tsy tongatonga ho azy anefa izany fa antony maro izay nikotrehin’ny tantara no nampiharihary ny tsy fivadihan’Andriamanitra teo amin’ny Fanekena efa nataony. Ny zavatra maro mifamahofaho ao anatin’izany tantara izany ka nampisy ny atao hoe tantara no maneho fa Izy Andriamanitra no Tompon’ny tantara sady miasa ao anatin’izany tantara izany.

1.1.1/ NY TOERANA SY NY MPONINA

A/ Ny toerana:
Eto Madagasikara, ao amin’ny Faritany Fianarantsoa, 51 Kilaometatra miankandrefana somary mianatsimo kely no misy  ny Firaisam-pokontany Soatanàna (taloha dia tao anatin’ny Firaisana Isorana no misy azy, fa ankehitriny noho ny fahabetsahan’ny mponina dia novàna ho Firaisam-pokontany. Fokontany 6 no miaraka aminy: Ampolatany (na koa Ampolotany na Ampelatany), Ambalalovana (na Ambalalalovana), Iandemoka (na Iandremoka), Iarinarivo, Soanjoandrano, Ambalamarina. Ao anatin’ny Fivondronan’i Fianarantsoa II, dia ao amin’ny Faritr’Isandra izay faritra tena Betsileo.

B/ Ny mponina:
Azo lazaina ho isan’ny faritra be mponina indrindra amin’ireo tanàna manodidina azy i Soatanana ankehitriny. Izany fahamaroan’ny mponina izany dia nateraky ny asam-PIFOHAZANA avokoa. Ny mponina 6 000 ao anatin’ny Firaisam-pokontany dia 4 500 no monina ao Soatanàna avokoa. Malagasy avokoa ny mponina ao Soatanàna nefa na dia izany aza dia hita ao avokoa ny foko rehetra manerana an’i Madagasikara noho ny tantaran’ny Fifohazana.

1.1.2/ NY FIDIRAN’NY FILAZANTSARA TAO SOATANANA
Toy ny faritra rehetra eto Madagasikara koa i Soatanàna izay nilomano tanteraka tao anatin’ny fanompoan-tsampy talohan’ny fidiran’ny fivavahana Kristianina. Làlana 3  no azo tondroina ho nahatongavan’izany fivavahana izany tany amin’iny faritra iny :

a) Ny Manamboninahitra
– Efa noraisin’ny tany Imerina ny fivavahana notorian’ireo Misionera voalohany. Betsaka ireo miaramila manamboninahitra no babon’ny Filazantsara. Ny fanendrena azy ireny hipetraka tany Fianarantsoa no nampiely ny fivavahana Kristiana tany amin’ny manodidina rehetra tany. Nohon’ny fifangaroharoan’ny raharaham-panjakana (politika) sy ny raharaham-pivavahana vao mainka nanamora ny fihanaky ny Kristianisma. Ny manamboninahitra sy ny miaramila miaraka aminy dia sady mitondra fitaovam-piadiana no mivimbina ihany koa ny Filazantsara. Sady mpampandry tany no mpitory ny Filazantsara. Sady manitatra ny fanjakan’ny Mpanjaka no maneho koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tafiditra vokatr’izany ny fivavahana Kristiana.

b) Ny fanenjehana
– Rehefa tonga ny fanenjehana tamin’ny andron-dRanavalona I (1828 – 1861) dia maro ireo Kristiana nijoro hatramin’ny farany ka namoy ny ainy ho maritiora. Tsy vitsy koa no nandositra avy any Antananarivo sy ny manodidina ka niparitaka mieli-patrana manerana an’i Madagasikara. Na dia nandositra tahak’izany aza izy ireny, tsy navelan’ny Fanahin’Andriamanitra ka notereny mba hijoro vavolombelon’i Jesoa Kristy, tao ny nanenina noho ny fandosirany ka nitory an-karihary, tao kosa ny nanao izany tamin’ny miafina ka rehefa nitsahatra ny fanenjehana dia mora tamin’izy ireo ny nanorina ny Fiangonana ka niha-fantatry ny Betsileo ny fivavahana Kristianina.

d) Ny Asa Misiona
Ny fitoriana Filazantsara nataon’ireo Misionera dia nanamafy orina ny fijoroan’ny fivavahana Kristiana.

  • Ny L.M.S ( London Missionary Society)

Fikambanana mpandefa Misionera avy any Angletera izay niorina tamin’ny taona 1795 no mpamakilay voalohany taty Madagasikara. Rehefa tonga teto M/kara izy ireo tamin’ny taona 1818 dia nidina nianatsimo taty Fianarantsoa tamin’ny taona 1870. Ny Misionera M. Richardson no iraka niasa tao sy teo amin’ny manodidina tamin’izany fotoana izany.**

** Ny faritany Fianarantsoa dia tena zanaky ny L.M.S izay lasa FJKM tamin’ny 1968. Ny tantaran’ny fidiran’ny Filazantsara tamin’iny faritra iny na tamin’ny alalan’ny Manamboninahitra na tamin’ny alalan’ny fanenjehana , indrindra fa tamin’ny alalan’ny Misiona L.M.S dia mampiseho fa avy amin’ny FJKM no nipoiran’ny Fifohazana voalohany. Vokatrin’ny fifanarahana teo amin’ny fizaram-paritany nataon’ny Misionera no nahatonga an’i Soatanàna ho sahan’ny Loterana.*

 

—>(… Tohiny)  – Tsindrio ETO mba ahazoanao « mot de passe »


Copyright © 2016, S.P.L.T. All rights reserved