MORCEAUX D’HISTOIRE & GENEALOGIE
« …Ny ranomasina no vala-parihiko! »
Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa
NY FIFOHAZANA MANOLOTRONY
TOKO I. MANOLOTRONY SY NY FOMBA AMAM-PANAONY
Raha fombam-pivavahana na fivavahana no resahina dia tsy maintsy resahina aloha ireo olona manatanteraka izany. Noho izany mialohan’ny resaka momba ny Fifohazana izay fombam-pivavahana iray dia hofaritana aloha ny momba ny Manolotrony amin’ny ankapobeny sy ny toetry ny fiaraha-monina ao aminy.
2.1. FAMARITANA ANKAPOBENY
Raha sendra tanàna iray dia betsaka ny fanontaniana tonga ao an-tsaina avy hatrany, toy ny tantaran’ny toerana, izany hoe : Inona no nahatonga na nihavian’ny anarany….aiza ny faritra onenany…ahoana ny mponina ao ? …
2.1.1 NY ANARANY
Ao amin’ny Faritany Fianarantsoa amin’ny faritra atsimo no misy an’i Arindrano izay ahitàna an’i Tsienimparihy izay toy ny lamba ifonosan’ny tanànan’i Manolotrony. Noho izy ao ampitan’ny ony Mananantanana dia natao hoe : tànana manolotra ny ony ka lasa raikitra ho anarany izany : Manolotsony na Manolotrony.
2.1.2. NY MPONINA
Ny foko Betsileo no monina ao. Betsaka ireo mpihavy avy any Antananarivo izay efa ela nipetrahana tao ka sarotra ny manavaka azy ireo amin’ny tena zanatany. Misy vitsivitsy ihany koa ny Tanala monina ao. Mponina tsy dia sahirana loatra noho ny toerana izay manana ny harena ankibon’ny tany sy ahitana fanenonan-damba arindrano sy lamba landy. Mponina miavaka amin’ny foko hafa noho ireto zavatra ireto :
A. FINOANY
Mamaritra ny fiainan’ny olona iray na ny vahoaka manontolo eo amin’ny fiaraha-monina misy azy ny finoana. Fa avy amin’io finoana io no mahatonga ny olona ho afaka mivelatra eo amin’ny ara-tsaina na eo amin’ny fomba enti-miaina an-davanandro. Mampivelatra sy mampikororosy fahana ny olona ny fiainana ara-pinoana. Mibaiko ny maha-olona ny finoana satria avy amin’ny fo no isiany ka ametrahany ny mikasika ny fiainana manontolo, ka izay zavatra mbola ho avy tsy takatry ny sainy rehefa izay no ekeny nohon’ny finoan ivelomany dia ekeny ho marina tanteraka.
1). AMBONDROMBE
Havoana mirefy 1925 metatra eo ho eo no hahavony. Rakotra ala mikitroka ny tendrombohitra manontolo. I Mahatsinjo tendrony dia tsy tazana loatra. Ao an-tampony ao dia misy « ranovory » izay tsy mbola nisy olona tafakatra teny afa-tsy ireo olona « fairin-draha » na olona entin-javatra. Toerana masina hono io Ambondrombe io satria tany fady tsy azo kasihina. Raha misy olona manazimbazimba an’io toerana io dia iharan-doza ka miolana ny hatony na mety ho faty eo no eo mihitsy aza. Raha misy olona te-ho eny, ka vao eny ampototry ny tendrombohitra dia manjary tonga tampoka ny oram-baratra. Misy hery miafina amin’io tendrombohitra io ka izany no anomezana azy koa ny anarana hoe : IRATSY. Ao amin’io toerana io no iangonan’ny fanahin’ny olona maty rehetra. Rehefa tonga eny ilay fanahy dia mbola manohy ny asa fanaony andavan’andro ihany. Noho izany dia laza toerana atahorana sy masina ho an’ny mponina rehetra Ambondrombe ka ivavahana sy anaovana voady sns…
2). OMBIASA NA OMASINA
Manana anjara-toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ny Ombiasa na Omasina. To teny eo anatrehan’ny vahoaka rehetra sy hajain’ny olona fatratra tokoa. Na inona na inona baikoiny hatao dia tsy maintsy tanterahina na sarotra toy inona aza. Ny mponina vokatr’izany dia mametraka ny fo tamin’ny sampy sy ny sikidy ary ny ody fiarovan-tena isan-karazany…Nohajaina fatratra ny fady napetraky ny razana. Ny aretina rehetra dia avy amin’ny fahasivy avokoa hoy ny fampianaran’ny obmiasa ka tsy maintsy omeny fanafody fanafana vao sitrana.
B. FIARAHA-MONINA
Na dia manan-karena sy toa milamindamina ny fahitana ny mponina ety ivelany dia endrika ivelany fotsiny izany. Miaina ao anaty tebiteby lava eny, mivarahontsana mihitsy raha sendra misy maty satria toa misy feo heno avy hatrany mipoitra eny Ambondrombe. Tahotra matoatoa (lolo)…tahotra mosavy…tahotra voatsinin’ny razana. Heverina ho hery lehibe mahafaty sy manimba ary mahasakana ny soa rehetra mety ho azo ny tsiny raha tezitra. Noho izany ; dia tambatambazana mandrakariva sao tezitra ka mampidi-doza amin’atambo. Eo anatrehan’izany dia tsy misy filaminany ny fiaraha-monina. Lany andro amin’ny fanalana faditra sy fanaovana lanonanan ho fanambatambazana ny zanahary sy ny razana.
TOKO II MANOLOTRONY SY NY TOETR’ANDRO
Ny fipoiran’ny Fifohazana tao Manolotrony dia mifamatotra tanteraka amin’ny toe-javatra izay niseho teto amin’ny firenena. Zavatra roa lehibe no nanamarika ny tantara tamin’izay fotoana izay.
—>(… Tohiny) – Tsindrio ETO mba ahazoanao « mot de passe »
Copyright © 2016, S.P.L.T. All rights reserved