MORCEAUX D’HISTOIRE & GENEALOGIE
« …Ny ranomasina no valam-pariako! »
Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa
Ny Maha Andevo
Tsy azontsika atao ny tsy hiresaka momba ny andevo sy ny toetra maha andevo rehefa mahita ireo andevo tsy tambo isaina voatanisa ao amin’ny fananan’ny razana tany aloha. Mety hisy olona hadisadisa amin’izany, ao ny mety hatahotra, ary ao koa ny mety hieboebo anaty. Tsy izany no tanjona tratrarina fa ny handinika ny toe-javatra araka ny mety ho fisainana tamin’ny fotoanany. Ny ambany ihany no tafintohina na mieboebo. Ny fisainan’ny olona mety hianatra dia misondrotra mandrakariva, ka tsy andevozin’ny lasa fa miatrika kosa hatrany ny ho avy tsaratsara kokoa.
Avy taiza ny andevo? Fomba nisy tamin’ny andro taloha eran-tany, nentin’ny Portugais sy ny Arabo (na Antalaotra) ary ny Karana teto, ary nanjaka teto amintsika efa hatrany amin’ny 1660 tany io resaka io, ka mandra-panafoanan’ny Frantsay azy. Dia namela dikany mifandiso ao an-tsaintsika Malagasy ka ilàna fanafody sy fanarenana lalina, na eto afovoan-tany na any anindrana. Samy nanana andevo olona daholo na ny tany anindrana na ny taty afovoan-tany. Ka rehefa miteny hoe « andevo » isika, dia inona no ao an-tsaintsika manalokaloka ao?
– Antokon’olona ve? (kilasy sy firazanana)
– Volon-koditra ve?
– Toetra ve?
Izay endrika nisehoany teto amintsika sy tany an-tany hafa amin’ny ankapobeny no raisintsika, dia ny hoe: rafitra niorenan’ny toe-karem-pirenena sy ny fitondrana no niteraka ny andevo.
Antokon’olona nampiasaina tsy misy karamany no natao hoe andevo, mpanompo, nolefahina anarana hoe: « ankizy » (ny dikan’izany dia « mineur » no fihevitra azy, tsy manana ny sata sy maha-izy ny olon-dehibe). Olona resin’ny nanam-piadiana izy, olona nobaboina, olona nosamborina, olona nofitahina dia nangalarina, olona novidina, olona vaky sambo dia nampiasaina tsy misy karamany mba hamelona ny tenany sy hamelona ny tompony, na inona na inona volon-kodiny. Ny tany ivelany nangalatra na nividy olona teto Madagasikara sy nitondra Masombika na Makoa namidiny teto. Ny tany anindrana nahita tsirony voalohany tamin’ny varotra olona nankany ivelany sy avy any ivelany ka namabo olona taty avofoan-tany hamidiny amin’ny mpandranto. Ny taty ambony, hatrany avaratra ka hatrany atsimo nandeha namabo olona tany anindrana, dia namidiny na nampiasainy koa avy eo. Ny tany amin’ny faritra atsinanana aza nandeha isan-taona amin’ny lakana aman-jatony nanafika sy namabo tany Comores (1785-1823). Izay rehetra resy an’ady na tsy naharo tena ka lasa babo, na inona na inona volon-kodiny, na fotsy na mainty, na zarazara na mavo, dia lasa andevo. Ny ambony firazanana tamin’ireny dia natao « mainty enin-dreny« .
Toy izany koa izay olo-meloka rehetra tamin’ny lalàm-panjakana fahizay, ka niharan’ny lalàna mampivarina azy ho andevo dia lasa andevo. Na havan’andriana izy na olom-potsin’andriana, rehefa meloka ka voasazy havarina ho andevo, dia lasa andevo.
Nobaboim-pananana ka andevo mandra-pahafaty Rasalama Maritiora. Ny andriambavy Rafaravavy Maria maritiora rehefa nigadra dimy volana dia namidy ho andevo ka lasan-dRainiharo. Ny andriambavikely Ranivo maritiora dia namidy ho andevo natao farantsa 23 ny vidiny.
Misy ny nolaniam-pananana. Misy ny vady aman-janaka navarina ho andevo satria novonoina noho ny heloka nataony ny raim-pianakaviana. « Izay manao ny tsy mety rehetra amin’ny didim-panjakana mahavery vady ama-janaka, na mikomy, na manera vadin’andriana, na manani-drova, na mangaro-dapa, na manao andrian-droa, ka resy dia vonoina ny lehilahy rehetra, ary ny zaza amam-behivavy dia baboina atao andevo. Manaranaka ny maha andevo satria « ny teraka naloaky ny kibo manaraka ny kibo ihany ». Izany dia ahitantsika fa antokon’olona noforonin’ny rafitra fitondra-tany ama-monina ny « andevo », nilaina tamin’izany fotoana izany satria tsy nisy milina afaka nampiasaina tsy misy karama hisolo vaika an-dRaolombelona. Nanara-dalàna ny natao eran-tany ny teto Madagasikara satria mbola toe-karena niorina tamin’ny herin-tsandry no niainany.
Raisintsika ihany izay voalaza momba ny andevo ao amin’ny Tantaran’ny Andriana (takila 321-324) mba ahatsapantsika ny lanjan’ny fanafoanana ny fivarotan’andevo nankany ivelany tamin’ny andron’ny Anglisy sy Radama I, ary ny lanjan’ny famotsoran’ny Frantsay ny andevo rehefa nanjanaka an’i Madagasikara izy. Dia mba hifadiantsika koa tsy ho latsaka intsony amin’ny fanandevozanana, na inona na inona sata-itondrana an’i Madagasikara, na olona mitondra an’i Madagasikara.
– Azon’ny tompony kapohina sy faizina arak’izay tiany ny andevony fa ny ainy fotsiny no tsy azo alàna satria ny Mpanjaka irery no tompon’ny aina. Meloka ny andriana mamono mahafaty ny andevony ka mba vonoina koa.
– Tsy manana izay sitra-pony ny andevo fa dia mandeha amin’izay anirahana azy rehetra, na tsy tiany aza.
– Tsy azo atao miaramila ny andevo, tsy manao fanompoana Mpanjaka fa misolo ny tompony fotsiny. Fony Ramahatra nitari-tafika tany Toliary (1889) vao natao miaramila ny andevo.
– Mahazo mihary harena sy mitahiry ny andevo, nefa an’ny tompony ihany ireny hariny ireny amin’ny farany.
– Mahazo mitokan-tano ny andevo rehefa manana, nefa sarahina trano rehefa be loatra fa tsy zaka velomina. Na mitokan-trano aza anefa ny andevo ka mahazo harena dia an’ny tompony ihany izany satria « Andevolahy manana omby zato: ny tenany an’ny tompony ihany, mainka fa ny omby zato ». Izany no ahitana ao amin’ny didim-pananana hoe « Ranona iray trano, omena an-dRa… ».
– Mahazo manao fasana eny ivelan’ny tamboho sy eny an-tsaha eny ny andevo, dia tonga manana fasan-drazana.
– Raha manambady ny andevo dia amin’izy samy izy ihany, ka ny zanaky ny andevovavy dia an’ny tompony vavy ihany, fa ny anarana fotsiny no entiny amin-drainy.
– Azon’ny tompony votsorana na alefa ho « Olonmpotsin’andriana » ny andevo raha foiny noho ny soa nataony, rehefa andoavany « hasinandriana » sy anaovany orimbato.
– Ny andevo manan-karena ka tian’ny tompony hiavo-tena dia afaka rehefa mandoa vola 30a, 50a, 60a na 100a aza.
– Ny azo babo an’ady ka lasa any Merina dia lasa zazahova. Ny taranak’andriana enin-toko ka namidy noho ny heloka nataon-drainy, dia lasa zazahova; raha miavo-tena izy ireny na manan-kavana hanavotra azy dia miverina ho andriana indray.
Reharehan’ny tompony ny fananana andevo betsaka. Raha misy raharaha hataon’ny tompony, na hanao fanompoan’Andriana dia mamory ny andevony rehetra izy, ka voninahitra ho azy ny fisehoany ho manana andevo betsaka rehefa mandeha eny an-dalana izy ka hanaovana azy hoe « sambatra »
Tsy hiresaka momba ny mpanompo sy mpiaro ny Mpanjaka isika eto, dia ny Tsiarondahy sy Tsiarombavy, ny Tandonaka sy Tandapa, ny Tsimandoa ary ny mpilanja. Tsy andevo ireny fa Mainty manana ny anjara raharahany manokana teo amin’ny rafitra fiaraha-monina fahizany. Rehefa nanomboka nandrafitra ny raharaha miaramila Radama I ka nakany an’arivony maromaro avyAvaradrano, Voromahery (Antananarivo), Vonizongo, sns… dia nakany 1000 lahy ny mainty hatao miaramila (T.A. tak.1075-1076). ka nisy taminy no tafakatra Voninahitra ambony dia ambony.
Ny andevo ampelatanan’ny tsy mpanjaka no resahina eto, tsy ny taty Imerina ihany fa ny tany anindrana sy manerana an’i Madagasikara. Mameno ny vakoka taratasy any amin’ny Arsivam-pirenena sy any an-tokantrano tsirairay any ny lisitra toy ireny fa vitsy no sahy miteny momba azy satria manalokaloka ao anaty ao ny resaka volon-koditra. Nefa tsy « resa-bolon-koditra ny fanandevozana fa resaka ekonomika sy hery tsy mitovy indrindra no antony. Tsy mifankaiza loatra amin’y voalazan’ny « Code Noir frantsay tamin’ny 1685 » ny fitondrana ny andevo teto Madagasikara faha-tany malagasy.
Koa aoka tsy hihevitra volon-koditra isika rehefa miteny hoe andevo. Tsy mahamenatra mihitsy ny maha-fotsy, na maha-mainty, na maha-zarazara sy mavo fa zava-misy eran-tany ary nataon’Andriamanitra ny lokon-koditra. Ny fotsy na ny zarazara ambany no « mamatra ny hafa amin’ny kapoakam-panambanimbanian-tenany » ka mitady hanambany ny hafa tsy fotsy na tsy zarazara. Ny mainty ambany no « mamatra ny hafa amin’ny kapoakam-panambanian-tenany » ka mitady hanambany ny hafa tsy mainty. Koa ny resaka volon-koditra rehefa miresaka hoe « andevo » dia avalano any anaty helo mirehitra afo fa tsy marina, samy efa nifanandevo daholo isika.
Tsy misy ekonomia miorina intsony amin’ny fanandevozana eran’izao tontolo izao, fa ny olona indray aza no mila ho andevozin’ny milina sy ny eletronika. Efa vita ela ny an’i Etazonia ny resaka volon-koditra fa i Eoropa sy Azia indray izao no manomboka sedrain’ny resaka volon-koditra.
Famoaboasan’Atoa Lucien Em. Randrianarivelo
Copyright © 2016, S.P.L.T. All rights reserved