Blog Taniko Madagascar

Catégorie : Malagasy

  • « Iles éparses » teo amin’ny Antenimieram-pirenena

    FAMELABELARANA nataon’Andriamatoa Joel Harison Marie René – Filohan’ny CRAM, na Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar, nanoloana ireo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara nandritra ny « séance pleinière » ny 18 Desambra 2015 tao amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza.

    « Faly miarahaba anao Andriamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ianareo Mpikambanana amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ary ianareo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara rehetra manatrika anay etoana. Maneho fisaorana feno amin’ny fandraisana anay.

    Ny anjara fitenenako dia ny famelabelarana ireo olana fototra manodidina ny resaka Iles Eparses (Nosy Malagasy) sy ireo vaha-olana maharitra hatolotray. (suite…)

  • Fifidianana Loholona: hatao ny 29 Desambra 2015

    Araka ny notapahin’ny Filan-kevitry ny Governemanta dia ho tanterahina amin’ny faha-29 Désambra io fifidianana io mba ahazoana mametraka ireo andrim-panjakana rehetra voafaritry ny Lalàm-panorenana (Sénat, Haute Cour de Justice, Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie, sns…). http://www.senat.mg/wp-content/themes/senat/timg/banner.jpg Ny Lapan’ny Loholona eo Anosikely

    Tsiahivina fa ireo Ben’ny Tanàna sy Mpikamban’ny Filan-kevitra monisipaly sy kaominaly no ho mpifidy amin’izany, ary ny rafitra vao ho hatsangan’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fivoriana tsy ara-potoana tanterahany manomboka anio eny Tsimbazaza no hisolo ny CENI-T teo aloha. Ary satria voafetran’ny lalàna fa tsy azo atao eo anelanelan’ny 30 Novambra sy ny 30 Aprily (fotoam-pahavaratra) ny fifidianana eto Madagasikara, dia tsy maintsy notapahan’ny Filan-kevitra ambony momba ny Lalàm-panorenana fa misy ny antony tsy azo hanoharana (cas de force majeure), ka ho tanterahina ihany izany satria tsy ny olon-drehetra no hifidy fa ny mpifidy lehibe ihany.

    R.M.

  • PDS niala: Edgar Razafindravahy, totoafon’ny mpanao gazety…

    Raha tsiahivina dia kandidà tamin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena tamin’ny 2013 Atoa Edgar Razafindravahy, nifaninana tamin-dry Hery Rajaonarimampianina, Camille Vital praiministra teo aloha, Jean Louis Robinson minisitry ny Fahasalamana tamin’ny fitondran-dRavalomanana, Hajo Andrianinarivelo praiministra lefitry ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina, Sarah Georget Rabeharisoa vehivavy tokana nilatsaka, sy ny maro hafa koa…

    Ny fikambanana noforoniny antsoina hoe « Arche de Noé » no nanohana azy tamin’izany (iray amin’ireo anarany ihany io, prénoms: Edgar Marie Noé!). Rahefa tsy lany izy dia notendren’ny Fitondran’ny Filoha vaovao Hery Rajaonarimampianina ho PDS-n’Antananarivo. Ka mialoha indrindra ny fifidianana izay ho Ben’ny Tanàna voafidim-bahoakan’Antananarivo indray ity resadresaka mahaliana ho raiketin’ny Tantara tao amin’ny fahitalavitra ity:

    …Dia teraka ny antoko politika vaovao « Arche de la Nation » (ADN ihany, na Antoka sy Dinan’ny Nosy) manolotra ny sedra ho hatrehana sy ny vava asa miandry.

    R.M.

  • Coulisse on TV: le Groupe Sora-po de Mamy Rakotomavo

    Emission du 15 Septembre 2013

    [youtube https://www.youtube.com/watch?v=7liSSIJGo70&w=462&h=258]
    Fantatrao moa iza i Mamy (Maminiaina) Rakotomavo? Tsindrio àry eto!
  • Protégé : Ratsitohaina sy ny finoana katôlika

    Ce contenu est protégé par un mot de passe. Pour le voir, veuillez saisir votre mot de passe ci-dessous :

  • Aude Tiana: Enjoy Seychelles!

    Hitanao eto ny fivahinianan’i Aude tany Seychelles:
    [youtube https://www.youtube.com/watch?v=TQkkxpeWQN4]

    Connaître un peu plus Aude Tiana et sa famille?

    Aude Tiana dans son enfance dans le Rova d’Amboditsiry.
  • Ngetroka karana nalaina an-keriny tao amin’ny Saint-Michel

    Fantatra araka ny vaovao voaray alina fa novotsorana tokony ho tany amin’ny 8 ora tany ho any ilay teratany karana Rafik Jaffaraly, tompon’ny Conforama nisy naka an-keriny tamin’ny faha-11 Aogositra lasa teo. Hatreo ihany anefa ny vaovao fantatra fa tsy misy ny antsipiriany. Tsy fantatra araka izany na nisy ny vola naloa na ahoana ary ohatrinona izany.

    Tao anatin’ny folo andro tsy nahitana an’ity olona ity dia maro ny siosion-resaka re tetsy sy teroa mikasika iny fangalana an-keriny iny. Re, araka ny resaka izany, fa toa mahatratra hatrany amin’ny 3 miliara ariary any ho any ny vola notakian’ireo olon-dratsy. (suite…)